<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>60</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 He, faly ny fanahiko,
 Fa avy Ilay Malalako,
 Dia Jeso tonga zaza,
 Ka mety ho Mpamonjiko,
 Na dia tsy mendrika aza
 Izaho, ry Jesosy ô !
 // Raiso ho Anao ! //

[V2]
 Ry Jeso Zazakely ô,
 Iriko mafy Hianao,
 Avia re, ry Zaza,
 Ny foko itoeranao
 Na dia ratsy aza
 Ka tsy mba mendrika Anao,
 // Ry Jesosy ô //

[V3]
 Endrey ny fitiavanao,
 Ry Ray, namoy ny Zanakao ;
 Izahay, izay fahavalo
 Ka ivesaran-keloka,
 Avelanao hivalo
 Ka hiditra ao an-danitra.
 // Enga ka ho ao ! //

[V4]
 Endrey ny fifaliana
 Tsy tratry ny fisainana
 Ataon'ireo anjely
 Manerana ny lanitra !
 Fa any ny Noely
 Hitohy tsy ho tapitra,
 // Enga ka ho ao ! //</lyrics>
<title>He, faly ny fanahiko FFPM60</title>
<author>In Dulci Jubilo</author>
</song>